Revelation of John 12

1Famantarana lehibe no hita tany an-danitra: vehivavy nitafy ny masoandro, ary ny volana teo ambanin’ ny tongony, ary satro-boninahitra vita tamin’ny kintana roa ambin’ny folo no teo amin’ny lohany. 2Bevohoka izy, ary nihiaka mafy fa efa ho teraka, ao anatin’ny fihetsehan-jaza.

3Avy eo nisy famantarana hafa niseho tany an-danitra: Indro! Nisy dragona mena goavam-be izay nanana loha fito sy tandroka folo, ary nisy satro-boninahitra fito teo amin’ireo lohany. 4Ny rambony dia nifaoka ny ampahatelon’ny kintana tany an-danitra sady nanipy azy ireo teny amin’ny tany. Ilay dragona nijoro teo anoloan’ilay vehivavy izay efa ho teraka, ka rehefa teraka izy, dia afaka handrapaka ny zanany izy.

5Niteraka zazalahy izy, izay hanapaka ny firenena rehetra miaraka amin’ny tehim-by. Ny zanany dia nalaina an-keriny ho any amin’Andriamanitra sy ho eo amin’ny seza fiandrianany, 6ary ilay vehivavy dia nandositra nankany an’efitra, izay nisy toerana efa nomanin’Andriamanitra ho azy, koa dia ho voakarakara mandritry ny 1260 andro izy.

7Ary nisy ady tany an-danitra. Mikaela sy ireo anjeliny dia niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona sy ny anjeliny dia namaly ady. 8Fa tsy dia natanjaka ilay dragona ka tsy naharesy. Koa tsy nisy toerana ho azy sy ireo anjeliny intsony tany an-danitra. 9Ilay dragona lehibe— izay menarana fahiny nantsoina hoe devoly na Satana, ilay namitaka an’izao tontolo izao—dia natsipy teny ambonin’ny tany, ary ireo anjeliny dia natsipy niaraka taminy.

10Avy eo nandre feo mafy avy any an-danitra aho: “Ankehitriny dia tonga ny famonjena, ny hery, ny fanjakan’Andriamanitsika ary ny fahefan’i Kristiny. Fa ny mpiampanga ny rahalahintsika dia natsipy tany ambany, ilay iray izay miampanga azy ireo andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitsika.

11Izy ireo dia naharesy azy tamin’ny ràn’ny Zanak’ondry sy tamin’ny teny fijoron’izy ireo vavolombelona, fa tsy nankamamy ny fiainany intsony izy ireo na dia ho faty aza. 12Noho izany, mifalia, ianareo ry lanitra, sy izay rehetra monina ao aminy. Fa mitandrema ny amin’ny tany sy ny ranomasina satria ny devoly dia nidina teny aminareo. Feno fahatezerana izy, satria fantany fa fotoana fohy sisa no hananany.

13Rehefa nahafantatra ilay dragona fa nazera tamin’ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka zazalahy izy. 14Fa ilay vehivavy dia nomena elatra roan’ny voromahery lehibe, ka dia afaka nanidina nankany amin’ilay toerana nokarakaraina ho azy tany an’efitra. Io ilay toerana hitsinjovana azy, mandritry ny telo taona sy tapany— mba tsy ho hitan’ilay menarana.

15Namoaka rano toy ny renirano tamin’ny vavany ilay menarana, izay hifaoka an-dravehivavy. 16Fa ny tany nanampy an-dravehivavy. Nosokafan’ny tany ny vavany ary dia nateliny ny riaka izay navoakan’ny vavan’ilay dragona. 17Ary tezitra tamin-dravehivavy ilay dragona ka niala ary nitady ady tamin’ny ambin’ireo taranany, izay mankàto ny didin’Andriamanitra ary mitana ny fijoroana vavolombelona momba an’i Jesosy. Avy eo nitsangana teo ambonin’ny fasiky ny ranomasina ilay dragona.

18

Copyright information for PltULB